Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
--------
2:37
Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
--------
3:16
29 Marsa 1947
Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).
--------
5:47
Herisetran'ny mpitandro filaminana
Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)
--------
4:03
Miakatra ny rano eny ambany tanàna
Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)
Podcasts Echos de Madagascar. Paroles des acteurs de la cité et témoignage de la population sur leur vie quotidienne. Akon'i Madagasikara. Tenin'ireo mpisehatra ao amin'ny tanàna sy fijoroana ho vavolomben'ny mponina momban'ny andavanandrom-piainany.